- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversMarovoay : Jiolahy nahatratrarana basy

Marovoay : Jiolahy nahatratrarana basy

Afak’omaly, manodidina ny tamin’ny 6 ora hariva, tao Angaramahity, ao Manaratsandry-Marovoay, dia nisy roalahy nikasa hanafika vehivavy mpanangom-bokatra iray, izay monina ao Antsimahajao. Mailo anefa ity ramatoa ity ka nampandre avy hatrany ny zandary tao Manaratsandry. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny mpitandro filaminana ka nisambotra azy roalahy. Tafaporitsaka anefa ny iray, fa ny iray kosa voatazona ka nentina avy hatrany nanaovana fanadihadiana. Rehefa nosavaina dia nahitana basy poleta iray, mbola misy marika sy laharana ahafantarana azy, sy bala iray tany aminy. Fitaovana izay saika hoentina hanafihana ity mpanangom-bokatra ity. Mbola tazonina ao amin’ny zandary ity jiolahy ity amin’izao fotoana izao ary mitohy kosa ny fikarohana ilay namany izay tafatsoaka.

A.R.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser