Nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana indray tany amin’ny distrikan’i Marovoay, faritra Boeny, ny alin’ny talata lasa teo, tao amin’ny fokontany Ampijoroana, kaominina ambanivohitra Antanimasaka. Olomboafidy, lefitry ny ben’ny tanàna any an-toerana, no notafihan’ny fito lahy nirongo fiadiana. Vao tafiditra tao an-trano ireto dahalo dia nandrahona tamin’ny basy nitaky vola, saingy niantso vonjy avy hatrany ity olomboafidy voatafika, ka nirohotra haingana namonjy ny toeram-ponenany ireo fokonolona teo an-tanàna nifanandrina tamin’ireo mpanani-bohitra. Raha vao nahita ny fokonolona tonga marobe nirongo basy sy fitaovam-piadiana hafa ireo dahalo dia nitsoaka nandositra haingana, ka mbola karohina fatratra hatramin’izao. Ny zavatra nampalahelo tamin’ity tranga ity, raha ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, noho ny tsy fifankahafantarana tao anatin’ny haizina, dia mpinamana roa lahy tamin’ireo fokonolona nanara-dia no nifamono, ka ny iray naratra mafy vaky loha voatora-bato teo amin’ny lohany, ny faharoa kosa voatifitra teo amin’ny tratrany, ka nentina haingana notsaboina any Marovoay renivohitry ny distrika ho famonjena ny ainy.
Nahoda