« Tsy mahavoasazy ny mitifitra sy mahafaty jiolahy amin’ny fiarovan-tena », hoy ny zandary. Raim-pianakaviana iray no voalaza fa niaro tena nandritra ny fanafihana nataon’andian-dahalo tany Bepako, kaominina Tsararano, distrikan’i Marovoay, faritra Boeny, ny alahady teo, tokony tamin’ny 12 ora alina. Dahalo fito lahy nirongo basy no nanafika tamin’izany. Nokapain’ireo jiolahy tamin’ny famaky ny varavaran-trano nidiran’izy ireo. Avy hatrany dia nalefan’ity raim-pianakaviana ity nandositra ny vady aman-janany fa izy kosa niandry ireo jiolahy tao anaty trano. Rehefa tafiditra ireo olon-datsy dia nitifitra avy hatrany ilay rangahy ka lavo tsy tra-drano ny iray tamin’ireo dahalo ary vaky nandositra avokoa ireo namany sasany. Voa teo amin’ny fony mihitsy izy io, ary nitsirara feno ra, ary tsy nisy aina intsony. Tsy nahagaga raha nitsoaka ireo namany vao nahita izany. Tsy nampoizin’izy ireo ho manana basy ny tompon-trano, na mety hainy ihany saingy noheveriny fa tsy sahy hanohitra. Tapi-dalan-kaleha aloha ireo. Raha vao nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny Poste Fixe Tsararano dia nidina haingana teny an-toerana, nizaha sy nanenjika ireo dahalo ka tamin’izany no nahavoasambotra ny jiolahy iray antsoina hoe Adolphe, monina ao Bepako ihany, anisany nanafika. Ny sisa kosa dia efa fantatra ary hatao hazalambo. « Ankasitrahana ny herimpo ananan’ilay raim-pianakaviana. Ny zandarimaria dia miandrandra fanomezam-baovao avy amin’ireo izay maheno na mahatsikaritra toe-javatra mampiahiahy mifandraika amin’ity raharaha ity. Atao tsiambaratelo ny mombamomba ny loharanom-baovao », hoy ny fanazavana.
Yv Sam