- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversMarovoay : Ramatoa maty novonoim-badiny

Marovoay : Ramatoa maty novonoim-badiny

Ny herinandro lasa teo dia tonga nampandre ny zandary tao Marovoay ny kartie mobile iray miasa ao Anositsombomba, fa misy vehivavy maty novonoim-badiny ao an-tanàna ny alin’ny 5 desambra, tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary ka nisambotra io lehilahy io. Voalaza fa vokatry ny ady teo amin’izy mivady no nahatonga ny famonoana. Taorian’ny fanolorana azy teny amin’ny fitsarana dia notazonina vonjimaika any am-mponja ity lehilahy namono nahafaty ny vadiny ity, mandra-piandry ny fotoana hitsarana azy.

A.R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser