- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMarovoay : Tafakatra 11 ireo olona hita faty hatreto, mbola am-polony no...

Marovoay : Tafakatra 11 ireo olona hita faty hatreto, mbola am-polony no tsy hita

Hatramin’ny omaly antoandro, dia fantatra fa tafakatra 11 ireo olona namoy ny ainy, noho ilay loza an-dranomamy, niseho tao Marovoay, ny talata lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo, dia mbola misy eo am-polony any ho any ireo olona mbola tsy hita popoka hatreto.

Miezaka hatrany ireo tompon’andraikitra any an-toerana, ampian’ireo zandary amin’ny fitadiavana ireo olona tsy hita popoka, nandritra ny faharendrehan’ilay lakam-by mampitohy an’i Manaratsandry sy Marovoay, ny talata lasa teo. Araka ny fantatra, dia ny maraina hatramin’ny antoandro ihany izy ireo no afaka mikaroka, fa ny hariva kosa dia efa manomboka misamonta sy misondrotra ny rano. Ankoatr’ireo olona fito namoy ny ainy, efa hita ny alarobia lasa teo dia niampy efatra indray izany omaly. Raha ny fampitam-baovao hatrany, dia tany amin’ny 3 km miala ny toerana nisian’ilay loza no nahitàna ireto vatana mangatsiaka hafa ireto, izay ny sasany, hita teny an-tsefatsefan’ny hazo sy ny moron-drano teny. Misy milaza ihany koa aza milaza, fa mbola misy olona tavela ihany koa tao ambanin’ilay lakana nivadika, saingy mbola manano sarotra ny mitady azy ireo. Ilay lakana moa, raha ny fantatra, dia mbola tavela eny am-povoan-drano ary efa manomboka ho difotry ny fasika sy ny fotaka.

Hatreto dia mbola tsy voafaritra mazava izay tena isan’ny olona nentin’ity lakam-by ity. Ny kapitenin-tsambo ihany koa, araka ny voalaza dia tsy nanaraka velively ny tondrozotra napetrak’ireo tompon’andraikitra mahakasika ny fifamoivoizana an-dranomamy. Vinavinaina ho any amin’ny 50 mahery any araka izany no isan’ireo olona, niaraka tamin’ny entana isan-karazany. Antony iray nampavesatra ilay lakana ka izao nampahadobo rano azy izao. Ny rivotra ihany koa tetsy an-danin’izay nanampy trotraka ny fahavoazana. Tsiahivina, fa olona 33 no avotra soa aman-tsara tamin’ity loza ity. Efatra tamin’izy ireo no tsy nahatsiaro tena tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza, saingy efa nahazo fitsaboana ary mbola mitohy manaraka izany any amin’ny hôpitaly izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici