Amin’izao fotoam-pahavaratra mampiakatra ny rano izao, dia masiaka ny voay ary tsy misalasala ireo biby mandrapaka izay haza tojo azy. Afak’omaly naraina, tany Marovoay, vehivavy iray sahabo 35 taona eo, izay voalaza fa saika hiampita rano tamin’ny reniranon’i Betsiboka no nohanin’ny voay, ka naratra mafy voakaitra teo amin’ny tongony sy tamin’ny nonony. Soa ihany anefa fa tsy natahotra an’ity biby ireo olona niaraka taminy tamin’io fotoana io, ka niezaka nanavotra azy ny vadiny, ary nifampisintomana teny am-bavam-boay ity renim-pianakaviana manan-janaka telo mianadahy ity. Taorian’ny loza dia noentina haingana namonjy tobim-pitsaboana, mba hanavotana ny ainy ilay ramatoa. Noho ny fahaverezan-drà be loatra, dia mbola miady amin’ny fahafatesana ity vehivavy ity, raha ny vaovao voaray farany, tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra.
Eric Manitrisa