Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasasny no nitranga ny loza omaly. Raha ny fitantaran’ny olona dia nisy fiara tsy mataho-dàlana izay nirimorimo ary tafiainga tamin’ny toerana misy ny andrin-jiro teo ampovoany. Izany rahateo no manasaraka ny lalana roa. Nifatratra tany amin’ny olona roa avy eo izany ary nahafaty tsy tsa-drano ny lehilahy iray izay mbola tanora. Hatramin’ny ora nanoratana dia tsy mbola fantatra ny momba ilay namoy ny ainy izay nampakana sisin-dàlana aloha. Nanao fanamiana ara-panatanjahan-tena izay misy soratra FC Tambatra Sabnam izy. Naratra mafy kosa ny olona faharoa izay nifanampian’ny olona nitatitra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana.
D.R