- Publicité -
jeudi, juillet 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMasay : Mpitondra môtô natsipin’ny « casseur »

Masay : Mpitondra môtô natsipin’ny « casseur »

Ahiana tanteraka ny ainy ! Nandriaka indray ny rà tetsy amin’ny lalana migodan’i Marais Masay, omaly tokony ho tamin’ny enina ora tany ho any. Lehilahy iray manodidina ny 40 taona any ho any no naratra mafy, ary efa tsy mihetsika intsony,, tsy lavitry ny « casseur » amin’iny lalana iny. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia somary nandeha mafy izy ireo, avy any Andranobevava ho any Ankorondrano iny. Tafatsambikina ilay « casseur » iny izy ireo ary nianjera ». Nisosa efa ho metatra vitsivitsy teo ilay kodiaran-droa « moto cross » nentin’izy ireo, raha tafapitika koa ireo olona nentiny. « Ilay lehilahy nitondra no nipitika voalohany, ary nidona tamin’ny sisin’arabe ny lohany. Nitsirara tsy nihetsika intsony tao anaty rà mandriaka. Ilay vehivavy kosa, tsy dia nisy ratra tety ivelany saingy raparapa ihany ny tenany iray manontolo. Mbola afaka nitsangana. Niala teo amin’ilay toerana nisian’ny loza, ary nilaza ny handeha hampilaza ny havany, voalaza fa tsy lavitra teo. Efa tonga teny an-toerana moa ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo, ny avy eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny lozam-pifamoivoizana ary ny mpamonjy voina, izay nitondra ilay naratra mafy any amin’ny toeram-pitsaboana.

m.L

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici