- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMasay : Ny fiarabe nandona andrin-jiro, ny fiarakely nandona mpitondra bisikleta

Masay : Ny fiarabe nandona andrin-jiro, ny fiarakely nandona mpitondra bisikleta

Tapaka tanteraka ny lalana tetsy amin’ny vahalavan’i Marais Masay omaly hariva, tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any. Lozam-pifamoivoizana roa sosona be izao mantsy no nitranga teny an-toerana izay naharatrana lehilahy mpitaingina bisikleta iray ary nanimbana fananana iombonana. Ny voalohany, irony fiarabe mitarika « remorque » irony no nandona andrin-jiro iray teny an-toerana. Potika tanteraka moa ity fitaovana ity ary nidaraboka tamin’ny arabe, nanapaka tanteraka ny lalana teny an-toerana. Nahitàna fahasimbana torak’izay ihany koa ilay fiara nandona. Raha ny angom-baovao azo dia olana ara-teknika teo amin’ny fiara no nahatonga ny loza satria dia nivaha tampoka ilay fitarihana « remorque » ary io no nikipily nandona ilay « poteau ». Elanelam-potoana vitsy taorian’izay, mpitondra bisikleta iray ihany koa no naratra mafy rehefa nodomina fiara tsy mataho-dalana iray teny an-toerana hatrany. Naratra mafy vokatr’izany ity lehilahy ity ary voatery nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Nahitàna fahasimbana moa ny lohan’ilay fiara nandona ary potika tanteraka ilay kodiaran-droa.

Fa ankoatr’ireo, resaka lozam-pifamoivoizana hatrany tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, tetsy Ankazobe. Omaly, fiara « taxi-brousse » iray avy any amin’ny tapany Avaratry ny Nosy iny no nivadika teo am-povoan’arabe. Maro tamin’ireo mpandeha no naratra mafy vokatr’izay ka voatery nalefa novonjena teny amina toeram-pitsaboana. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra mahakasika izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici