Nirefodrefotra ny basy. Mpivarotra iray tao Fiadanana Masindray, Avaradrano, no notafihana jiolahy 12 teo ho eo. Vola 3 tapitrisa Ariary, firavaka volamena ary sigara mitentina 1 tapitrisa Ariary no lasan’ny jiolahy tamin’izany. Hita teny an-toerana ny taim-bala 11 sy ny ambina bala iray nampiasan’ireo jiolahy. Ny zoma lasa teo, tamin’ny 12 alina ny tantara no niseho. Dahalo mahery ny 12 lahy mirongo fiadiana mahery vaika, toy ny kalaky, tsy misaron-tava no nanafika an’ity mpivarotra ity. Na dia mafy tokoa aza ny hidin-tranon’ity tokantrano iray ity dia toa tsy nisy dikany tamin’ireo olon-dratsy no namaha an’izany. Ilay raim-pianakaviana kosa indray dia niandry avy any ambony teo amin’ny tohatra, ka izay nipoitra dia nodarohany vilany be sy seza. Rehefa nahita izany ireto dahalo dia niezaka nitifitra, saingy ratsy toerana loatra izy ireo ka tsy nahavoa hafatsy rindrina. Hany fomba nataony dia nalefany mialoha ny mpanampy tao amin’ilay tokatrano, izay efa tratran’izy ireo tao amin’ny efitra iray tao ambany. Nandritra io fifanjevoana io dia tafatsoaka ilay zanaka lahy, ka noheverin’ireo jiolahy fa ilay raim-pianakaviana rehefa tazan’izy ireo. Fantatra fa vato no nitorahan’ireo jiolahy ny alika sendra azy ireo teo amin’ny tanàna notafihiny. Raha ny voalazan’ny olona teny an-toerana ihany koa dia avy any an-tendrombohitra any ireo jiolahy no tonga ary niverina any ihany rehefa vita ny asa ratsiny. Raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana dia milaza ho tsy matahotra mpitandro filaminana ireo mpanafika ary milaza ho miaramila. Mihevitra ny fisian’ny firaisana tsikombakomba ihany koa ireo mponina eny an-toerana, raha ny voalazan’izy ireo hatrany. Efa eo am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i m.L



