- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMasindray : Lehilahy hita faty, may teny ankodahoda

Masindray : Lehilahy hita faty, may teny ankodahoda

MASINDRAY-(3)Omaly maraina no nahitan’ny olona fatin-dehilahy iray kilan’ny afo teny amin’ny toerana antsoina hoe Ambohazo eny amin’ny kaominina Masindray. Niboridana tanteraka ilay razana ary takonkenatra sisa teny aminy. Tonga nizaha ny razana teny amin’ilay toerana ny dokotera avy ao amiun’ny CSB II Masindray. Araka ny filazany, dia tokony ho eo amin’ny 35 taona eo ity olona ity. May avokoa ny tenany rehetra ary voalaza, fa fahamaizana « second degré » ilay izy.

Ny vaovao voaray teny an-toerana hatrany no hilazana fa ny alatsinainy hariva teo anelanelan’ny tamin’ny 7 ora sy sasany ka hatramin’ny 8 ora, nisy afo hitan’ny olona teny amin’ilay toerana. Samy tsy nisy nahita , hoy hatrany ny vaovao, satria lavidavitra ihany no nisy an’ilay afo. Ny maraina no nisy nahita ny razana ary n,ampilaza tamin’ny tompon’andrikitra isan-tsokajiny. Tonga teny ny zandary avy ao amin’ny « poste avancé » Masindray niaraka tamin’ireo olona eny an-toerana. Ireo rehetra teny an-toerana tsy nahafantatra ity olona ity. Izany hoe avy any amin’ny toeran-kafa mihitsy izy io. Tsy fantatra araka izany na efa maty vao nentina teny ary nodorana na ahoana.

Amin’izao fotoana izao dia efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary eny an-toerana.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici