- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMasindray : Ramatoa iray nafatotra sy nofahanan’ny jiolahy vakana

Masindray : Ramatoa iray nafatotra sy nofahanan’ny jiolahy vakana

Mirongatra ny asan-jiolahy na eto an-drenivohitra indrindra ny any amin’ny manodidina raha ny zavatra hita tao anatin’ny andro vitsivitsy izay. Ny alatsinainy teo, trano iray eny Ivoara Masindray no notafihana jiolahy miisa telo misarontava. Araka ny vaovao voaray, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro teo no tafiditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano iray ireo jiolahy ireo. Vehivavy iray 26 taona no tao an-trano tratran’izy ireo tao. Voalaza fa nofatorana avy hatrany izy io ary noterena hamoaka taratasy sarobidin’ny fianakaviana akaiky ity vehivavy ity. Nilaza ho tsy mahalala izany ilay vehivavy ka nanaovan’ireo jiolahy ny herisetra. Nampinan’ireo jiolahy vakana roa sy akorandriaka ary nasisika tany am-bavan’ilay vehivavy. Tsy nahavita na inona na inona izy io, ary taorian’izay vao nisava sy nandroba ireo olon-dratsy. Vola 600.000 Ariary no lasan’ireto farany niampy sary tapaka ny tompontrano. Nitsoaka tsy nisy sakantsakana ireo jiolahy taoran’izay. Efa dila ireo vao nanaitra ny manodidina ilay vehivavy. Ny sefom-pokontany no niantso ny zandary. Tonga teny an-toerana ireo nanao ny fanadihadiana avy hatrany. Raha ny fanazavana azo, mety olona mahafantatra tsara ny tompon-trano ireto nanafika satria sady nisaron-tava no nitaky taratasy izay amin’ny anaran’olona. Ahiana ho olona akaiky ihany na nirahina olona akaiky ireto notafihana. Misokatra ny fanadihadiana, araka izany, ary miandry izay vokany ny rehetra.

Behenjy Itaosy

Tokantrano iray ihany koa voatafika jiolahy nitam-basy teny Behenjy Itaosy ny alatsinainy vao mangiran-dratsy. Fantatra fa manodidina ny efatra eo ireo jiolahy ireo tafiditra tao amin’ilay tanana. Nandroba izay azony tao an-toerana ary nitsoaka tsy nisy afaka nanakana ihany koa. Efa lasa elaela ireo vao nisy ny mpitandro filaminana tonga teny amin’ilay tokantrano.

Mihorohoro tanteraka ny olona, na eto an-drenivohitra na ireo monina manodidina an’Antananarivo. Miraviravy tanana manoloana ireo jiolahy. Anisany antony mampirongatra ny fitsaram-bahoaka ihany koa ny any amin’ny faritra satria tsy mahatoky na tsy voavonjy ara-potoana ireny fanafihan-jiolahy ireny. Etsy andaniny, miseho ho tsy maty manota ireo jiolahy ka miverimberina amin’ny asa ratsiny, efa tambajotra iray ihany koa, ka tsy matahotra fitsarana na mety misy ifandraisany amin’ny fitsarana.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici