Tonga teto Toamasina mihintsy ny Maitre Lee Jeong Moo nizara ny traikefany sy ny fahalalana azony momba ity hay-ady taekwondo ity, tamin’ireo mpikatroka manodidika ny dimampolo avy amin’ireo klioba misy izany teto Toamasina. Ny alakamisy 17 novambra teo no nanaovana izany tao amin’ny tranon’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena Toamasina na CJST (Ex CRJS). Ny masohivoho ny Corée eto amintsika no nikarakara izany, izany nahazo fanampiana ihany koa tamin’ny « Taekwondo Promotion Fondation » any Corée sy ny « KUKKIWON World Taekwondo Hearquaters ». Ny maitre Lee Jeong Moo dia mpahay ity hai-ady taekwondo ity, ary nahazo mari-pahaiza momba izany teo anivon’ny oniversite Koreana mihintsy. « Mba entina hanomezana lanja ny taranja taekwondo amin’ireo tanora eto Toamasina no tanjona tamin’izao fanaovana ny atitrasa izao », hoy ny ramatoa eo anivon’ny masohivohon’i Corée eto Madagasikara. Nilaza kosa ny maitre Lee Jeong Moo, fa « ny taona ho avy indray ny fotoana manaraka amin’ny atrikasa momba ity taekwondo ity ». Ho an’ny solontenan’ny fedarasionina niatraika ny atrikasa kosa dia nilaza fa « tombony ho an’i Toamasina izao satria mampitombo ny traikefa momba ny hai-ady sy mampitombo ny fiatrehana amin’ny fiarovan-tena ». Nisy moa ny fizarana mari-pahatsiarovana ho an’ireo mpandray anjara rehetra tamin’ity atrikasa ity nataon’ny Maitre Lee Jeong Moo.
Malala Didier