- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMasomeloka-Mahanoro : Takian’ny vahoaka ny famerenam-pifidianana ben’ny tanàna…

Masomeloka-Mahanoro : Takian’ny vahoaka ny famerenam-pifidianana ben’ny tanàna…

Mitaky ny famerenana ny fifidianana ben’ny tanàna ao aminy ny vahoaka ao amin’ny kaominin’i Masomeloka, araka ny didy navoakan’ny fitsaràna tao Antananarivo. Nandritra ny fifidianana teo aloha anefa dia ny laharana voalohany Atoa Farouk Sulleman Mulla izay nahazo isam-bato 2.991 amin’ny salan’isa 48,57% no lanin’ny vahoaka; nefa nitsibadika izany raha vao niakatra fitsarana miady amin’ny fanjakana Toamasina izay mitsara ny fifidianana ben’ny Tanana, ka lasa Rtoa Vavisoa Line laharana faha-04 avy amin’ny IRK indray no lany tamin’ny vato 2.099 salan’isa 34,09% nivoaka. Nanomboka teo ny disadisa rehetra.

Nanomboka teo ny disadisa teo amin’ity ben’ny tanàna lanim-bahoaka ity sy ny vahoaka ary ity ramatoa nolanian’ny fitsaràna ho ben’ny tanàna ao Masomeloka ity. Nisy ny fidinan’ny vahoaka mpanohana ny ben’ny tanàna tena lany ara-dalàna an-dalam-be nitondra sora-baventy nilaza ny tsy faneken’izy ireo ny didy nivoaka. Tao anatin’izay anefa dia nametraka fampiakarana ny raharaha teo anivon’ny “conseil d’Etat” ilay ben’ny tanàna milaza ho lany. Nivoaka ny didy nataon’ny fitsarana ity ny 15 fébroary 2021 mitondra ny larahana 34 EL, izay nanafoana ny didy rehetra navoakan’ny fitsarana teto Toamasina laharana 72 sy ny laharana 112. Vao naharay izany ny ben’ny tanàna IRK Vavisoa Line dia niato tamin’ny asany avy hatrany. Hatramin’izao ny fifidianana izay nambaran’ny fitsarana tao Antananarivo haverina tsy mbola natao, ny filohan’ny delegasionina manokana tokony hapetraky ny fanjakana tsy mbola tafapetraka enim-bolana aty aorian’ny didy nivoaka.

Ankoatra izay dia efa nanaitra ny ministeran’ny atitany ny vahoaka tany Masomeloka ny 5 may 2021 lasa, nefa hatramin’izao tsy rototra ny ministera amin’izany, ka tsy manana ben’ny tanàna afaka hampandroso azy ny ao Masomeloka hatramin’izao. Nisy koa ny fametrahana ilay fitarainana teo anivon’ny KMF-CNOE sy ny BIANCO ny 25 jona lasa teo fa tsy mbola misy tohiny hatrany ny raharaha. Tsy ny kaominina ao Masomeloka ihany no niharan’izao tsy fisiana ben’ny tanàna ao aminy izao, fa maro ireo kaominina ambonivohitra na ambanivohitra tsy nahavita izany raha nasain’ny fitsarana naverina izy ireny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici