Valalanina amin’ny tranga miseho tsy mampino ary tsy hain’ny saina hazavaina, izay misy amin’ny Distrikan’i Bealalana ankehitriny ny ankamaroan’ny mponina any an-toerana. Mahoraka any amin’ity Distrika ity amin’izao, indrindra any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambatosia‚ Ampandrana‚ Mangindrano, . . . ny fisian’ny angatra (matoatoa) manapa-bolo tampoka, ka lasibatra ny tovovavy 13 taona ka hatramin’ny 25 taona. Raha ny loharanom-baovao voaray, tsy mifidy fotoana sy toerana no miseho ity tranga hafahafa ity, fa na antoandro io na alina, ary tsy misy mahita ihany koa ny fidiran’ilay mpanapa-bolo ao an-trano na eny an-tsekoly‚ eny lasibatra hatramin’ny zaza eo am-pilalaovana‚ ka ny volon’ireo tovovavy efa miraraka amin’ny tany sy mangidihidy ny loha ialan’izany vao taitra ny iharan’izany. Misy eo am-panapahana volo ity voalaza fa matoatoa tsy hita maso ity no mihitsana ny volony iharan’izany, ka misy ireo manakana kanefa miala maina hatrany. Araka ny nambaran’ireo efa lasibatra sy nahita maso ity tranga hafahafa ity, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao voaray hatrany, dia esorin’ilay mpanapa-bolo tsy hita maso ity tsikelikely ny volo izay tapahiny, ary hiverenany indray izany raha mbola tsy miala tanteraka, ka misy ny rahonan’ity voalaza fa angatra ity hovonoina mihitsy ireo tovovavy raha tsy manala ny volo izay sisa tsy afany. Manoloana an’ity tranga hafahafa izay mbola tsy nahitam-bahaolana aloha hatreto, dia mivarahontsana ny mponina any an-toerana ka miantso vonjy sy vahaolana haingana. Raha ny tati-baovao voaray hatrany, efa nisy fotoana nampirongatra ity tranga ity tany amin’ny Kaominina Bendrarezona ny taona 2017. Tao Ambatoriha Est ny taona 2018, ary tao Ambatosia sy Ankijanimavo ny taona 2019.
Eric Manitrisa