- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMatsiatra Ambony : Basy 689 sy bala an-jatony sarona tao anatin’ny...

Matsiatra Ambony : Basy 689 sy bala an-jatony sarona tao anatin’ny efa-bolana izay

Tsy mikely soroka tokoa ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, amin’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana any amin’iny faritra Matsiatra Ambony iny. Tao anatin’ity taona 2020 ity, izany hoe niatomboka ny volana janoary lasa teo, dia fantatra fa basy efa mahatratra hatrany amin’ny 689  any no saron’ireto mpitandro filaminana ireto,  miaraka amin’ny bala aman-jatony maro. Mitsinjara ho toy izao : basy « kalach » 13, Mas36 miisa 5, basy mahery vaika hafa roa, basy vita gasy kosa ny ambiny, na io basy lava na poleta. Tao anatin’ireo bala aman-jatony sarona ihany koa no nahitana grenady iray. Ireto fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna ireto moa dia fantatra araka ny fampitam-baovao azo, fa na izy ireo azo an-tery teny am-pelantan’ireo malaso, na naterin’ireo olona tamin’ny nahim-pony.

Tsiahivina tokoa mantsy, fa nisy ny fanentanana nataon’ireo tompon’andraiki-panjakana sy olom-boafidy tany amin’iny faritra iny ny tokony hanoloran’ireo fokonolona ny fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna rehetra any am-pelan-tanany any. Raha ny tao amin’ny distrikan’Isandra manokana, raha ny vaovao hatrany dia efa nahatratra hatrany amin’ny 394 ny isan’ny fitaovam-piadiana voaangona izay, saika basy vita gasy avokoa. Ny farany teo, ny alatsinainy, dia basy  204 no sarona. Voalaza fa azo teny amin’ireo dahalo avokoa ny ankabeazany, raha nisy nanatitra tao amin’ny Ben’ny tanàna ny sasany taorian’ny fanentanana. « Marihina, fa maro koa ireo basy mahery vaika efa sarona raha mijery ny tao anatin’ny Faritany teo aloha Fianarantsoa izay mahatratra 29 Kalachnikov (voaroba tamin’ny korontana 2002 sy 2009) , 235 basim-borona ary 150 basy vita gasy» hoy ny vaovao.

m.L

 

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici