Dia miampy iray indray ireo olon-dratsy nihazo ny varo-tsy mifody, tany amin’iny faritra Matsiatra Ambony iny. Araka ny angom-baovao azo avy amin’ny pôlisy dia jiolahy iray no maty voatifitr’izy ireo ny andron’ny talata lasa teo, tao Beraketa Centre.
Amin’izao fotoana izao tokoa dia miezaka ihany koa ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena manaparitaka ireo olombelony, avy eo anivon’ny Hery vonjitaitra, na ny FIP any amin’ireo faritra rehetra voalaza fa mafàna eto amintsika, hamerenana ny fandriampahelamana amin’ireo faritra ireny. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nandritry ny fisafoana sy fanaraha-maso olona, izay voatondro ho olon-dratsy no nahazoan’izy ireo vokatra. Tao amin’io tanana, voalaza etsy ambony io, dia nisy ny olona nahaazon’izy ireo vaovao ary hafahafa fihetsika. Ny alin’ny talata teo, dia nifenana tamin’ny mpanao fisafoana izany olona izany, izay nilanja entana. Omby efa vaotapatapaka ny tany aminy, hoy ny vaovao. Vantany vao nahita ireo pôlisin’ny Fip anefa izy dia rafitra nandositra. Velona ny fifanenjehana. « Namoaka fitaovam-piadiana moa izy ka voatifitra tamin’izany ity dahalo ity ». Voatery nampiasa ny fitaovam-paidiany ihany koa araka izany ireo pôlisy ary tamin’izay fotoana izay no nahavoatifitra an’ity farany sy nahafaty azy. Ankoatr’ilay omby efa voatetika dia mbola nahitàna basy vita gasy taminy, raha ny vaovao hatrany.
Tsy nijanona hatreo moa ny fanadihadiana nataon’ireto mpitandro filaminana fa mitohy hatrany any amin’iny faritra iny. Entina hamongorana hatramin’ny fakàna ireo olon-dratsy nampitondra faisana ireo mponina.
m.L