- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHasarotam-piaro : Maty novonoiny ny sakaizan’ny renin-janany

Hasarotam-piaro : Maty novonoiny ny sakaizan’ny renin-janany

Na dia efa nisaraka aza izy roa dia mbola tsy maty voalavo an-kibo rangahy, ka namaly faty ny rafilahiny, izay naka an-dramatoa renin-janany. Ary tsy navelany raha tsy tapitra ny ain’ity lehilahy ity. Tranga niseho tany amin’iny faritra Atsimo Atsinanana iny, ny herinandro lasa teo.

Ny alakamisy lasa teo, lehilahy iray 32 taona no hita faty tao Seriny Vohilava tao amin’ny kaominina Manambidala any amin’iny distrikan’i Vondrozo iny. Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no namonoan’izay tompon’antoka tamin’izany ity lehilahy ity. Tamin’ny fotoana nahitàna ny razana mantsy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia feno dian-tratra tamin’ny zava-maranitra ny vatany iray manontolo. Araka ny fantatra tamin’izany dia lehilahy monina ao Antanambao Ambalavolo Manambidala ity hita faty ity. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny zandary taorian’io ary nanokatra ny fanadihadiana. Ny alatsinainy teo, nosamborin’ny zandary ny lehilahy iray, izay ahiahiana fatratra ho tompon’antoka tamin’izany vono olona feno habibiana izany. Tsy iza ity lehilahy ity fa rain-janaky ny vehivavy iray, sakaizan’ilay lehilahy hita faty. Izy roa ireto, araka ny fampitam-baovao hatrany dia efa tsy miray monina intsony ary efa nisaraka. Tamin’ny famotorana ity voasambotra ity no niaikeny fa izy tokoa no namono nahafaty ilay sakaizan’ny renin-janany, izay tsy noho ny inona fa resaka hasarotam-piaro fotsiny.

Notanana natao andrimaso avy hatrany ho amin’ny tohin’ny famotorana azy tao amin’ny biraon’ny zandary any an-toerana moa ity mpamono olona ity, miandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici