- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMaty tetsy Mahahamasina : Razana iray tsy misy maka ao amin’ny «...

Maty tetsy Mahahamasina : Razana iray tsy misy maka ao amin’ny « morgue »

Ny ampitson’ny 26 jiona nitrangan’ny fifanosehana niteraka fahafatesana dia efa samy naka ny havany maty tao amin’ny tranom-patin’ny Hjra avokoa ny olona. Mampalahelo anefa fa mbola misy iray, lehilahy manodidina ny telopolo taona, izay mbola ao. Tsy fantatra ny momba azy satria tsy nisy taratasy famantarana teny aminy ary koa tsy fantatra ny fianakaviany. Hatramin’ny omaly dia mbola tao ny razana ary izay raha ny fantatra, rehefa tsy misy maka ato ho ato, dia halevina eny amin’ny fasam-bahiny eny Anjanahary. Olona 17 no namoy ny ainy ary raha vao vita ny fijirihan’ny (autopsie) manam-pahaizana azy ireo mba hanaovana tatitra ny amin’ny antony fahafatesana, dia efa samy nalain’ny fianakaviany avokoa. Misy ny fanadihadiana misokatra momba ity fisisihana nahafatesana olona tetsy amin’ny fidirana ao amin’ny kianjan’ny Mahamasina ity. Ny sary sy ny raki-tsary miparitaka eny amin’ny aterineto rahateo dia toa manomboka mampiahiahy ny amin’ny hoe nisy andian’olona nanakorontana teny an-toerana ary mety ho nanosika avy aty atoriana, tamin’iny fotoana iny. Etsy andanin’izay, ny zava-nisy dia mbola manaporofo fa tsy mbola voafehin’ny tompon’andraikitra ny fandaminana vahoaka. Tao anatin’ny taona maromaro nifanesy, isaky ny 26 jiona dia miteraka fatiolona hatrany ny fidirana eo Mahamasina. Hatreto dia ny fanoloana ny kolonely iray izay niandraikitra ny fandrindràna iny toerana iny no fepetra anatiny noraisina, ankoatra ny fandraisana an-tànana ny maty sy ny naratra, fihetsika izay efa fanaon’ny fanjakana nifanesy ihany. Marobe ny vahaolana aroson’ny olon-tsotra mba tsy hiverenan’ny fahafatesana intsony eo Mahamasina. Isan’izany ny hoe 42.000 no zakan’ny kianja ary mila fantarina ny isan’ny olona miditra ao, satria raha vao mihoatra an’izay dia efa famonoana olona izay no mety hitranga. Eo koa ny hoe mila hamafisina ny fanaraha-maso ny fihetsiky ny olona ao anaty filaharana mba hahitàna faran’izay haingana izay mety misy mikasa hanararaotra na hanakorontana. Farany dia ny tsy fanasiana fampisehoana ao amin’ny toerana izay sady misy matso mba hialàna amin’ny fihoaran’ny isa zakan’ny kianja.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici