- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Maty voatifitra Bela, dahalo raindahiny

Tsiroanomandidy : Maty voatifitra Bela, dahalo raindahiny

Fifandonana mahery vaika no nitranga tany amin’iny kaominina Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanomandidy iny, teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ny dahalo ny faran’ny herinandro teo. Vokany, dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Bela no maty voatifitra, taorian’izay fifandonana izay. Maromaro ihany koa ireo naratra tamin’ireo olon-dratsy, raha ny voalaza saingy afa-nitsoaka avokoa izy ireo Talohan’izay fotoana izay tokoa mantsy, nisy nampilaza ireo zandary tany an-toerana fa mitoby ao Maritampona ireo andian-dahalo, izay mikasa ny hanao ny asa ratsiny. Namory ny olony avy hatrany ny lehiben’ireo mpitandro filaminana ary nidina nihazo ny toerana voalaza. Nisy andian’olona vaky nandositra avy hatrany anefa raha vao hitan’izy ireo fa nigadona fotsiny ireo zandary. Raikitra ny fanenjahana ireto farany ary nony tonga teo amin’ny kizo atao hoe Tanana haolo Tsinjoarivo no nitsahatra tsy nandositra intsony ireo andian’olona ary rafitra nitifitra ireo mpanenjika azy ireo. Nirefodrefotra ny basy. Taorian’ny fifandonana no nahitàna olona iray lavo. Izay fantatra taty aoriana fa i Bela, anisan’ireo olon-dratsy rain-dahiny karohina fatratra, tompon’antoka tamin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana, asan-dahalo ary fanakanan-dalana. Mitohy moa ny fikarohana ireo namany tafatsoaka, araka ny fampitam-baovao azo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici