
Tsy ilay orinasa vahiny mpanao lalana akory no resaka eto na ilay raim-pianakaviana mpanototra lavaka eny amin’ny arabe fantatry ny rehetra amin’izay anara-petaka izay .. Fa dahalo rain-dahiny nampihorohoro iny faritra Sofia iny, indrindra fa tao amin’ireo kaominina maromaro tamin’ny distrikan’Antsohihy tao. Raha ny fampitam-baovao azo dia tao amin’ny kaominina Anjiamangirana ity farany no nifanena tamin’ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobi-paritra tao an-toerana. Marihana fa efa ela no nikarohan’ireo zandary an’ity olon-dratsy ity, noho ity farany voatonona hatrany, izy sy ny ekipany, raha vao misy fanafihana mitam-piadiana any amin’iny faritra iny. Tamin’ity indray mitoraka ity, ny andron’ny alatsinainy lasa teo, dia nahazo angom-baovao ireo zandary, noho ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientan’ireo mponina any an-toerana fa hoe ao amin’io tanana io ingahy « Colas ». Natao avy hatrany ny velam-pandrika ary io nifanehatra tamin’ireo zandary ireo ingahy, izay tsy afa-nitsoaka intsony. Niafara tamin’ny fifampitifirana ny fisamborana ka izao nahazo saran-dalana ho an’ny amin’ny varo-tsy mifody izao ingahy. Marihana fa mbola eo am-panaovana hazalambo sy ny fikarohana ireo namany, mpiara-manao ratsy amin’ireo mpitandro filaminana any an-toerana, ka manentana hatrany ny mponina amin’ny fanomezam-baovao sy fifanomezan-tanana ho fametrahana ny fandriam-pahalemana any an-toerana.
m.L