- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 11, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMarais Masay : Maty voatifitra i « Dodol »

Marais Masay : Maty voatifitra i « Dodol »

Tapitra hatreo aloha ny tantaran’i Dodol sy ny asa ratsiny.

Jiolahy raindahiny, nikoizana tanteraka tamin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana, nampitondra faisana olona maro teny amin’iny faritra Analamahitsy sy ny manodidina iny i Dodol, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Tsy vitan’izay fa efa mpamerin-keloka ny lehilahy, satria dia efa voaheloka tamin’ity resaka fanafihana mitam-piadiana ity ary efa nifonja tetsy Antanimora. Ny faran’ny herinandro teo, lavo tao anatin’ny fifampitifirana tamin’ireo pôlisy avy etsy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo, ao anatin’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka eto Analamanga ingahirainy. Ny andron’ny sabotsy lasa teo ity voalaza fa olon-dratsy ity no nandao ny tany, rehefa tafalatsaka tao anatin’ny vela-pandrika nataon’ny pôlisy izy sy ny namany. Rehefa sendra ny toe-javatra tahaka itony ny ankabeazan’ireo olon-dratsy dia tsy mieritreritra ny hilavo lefona mihitsy fa vao mainka handeha hanohitra iretsy mpitandro filaminana. Asa, mety mieritreritra fa hoe samy manana fitaovam-piadiana angamba. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy naha-Dôdôl an’i Dôdôl intsony ireo pôlisy. Nisy ny fifanenenjehana, narahina an-kitifititra tamin’iny faritr’i Masay iny. Tamin’izay no voan’ny balan’ireo mpitandro filaminana ilay olon-dratsy ary namoy ny ainy teo no ho eo. Marihana fa niaraka tamin’ny ekipany, izay azo heverina fa handeha hanao ny asa ratsiny ireto farany tamin’io andro io. Ireto namany, izay voalazan’ny fampitam-baovaon’ny pôlisy hatrany fa tafaporitsaka tamin’izay fotoana izay. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany ataon’ny pôlisim-pirenena, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Azo eritreretina izany aloha hatreto fa hilamindamina indray iny faritra iny amin’ity resaka fanafihana ity taorian’izao vokatra azon’ny pôlisy izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici