- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireTsiroanomandidy : Maty voatifitra i Tsizeheny sy Lemana, dahalo raindahiny

Tsiroanomandidy : Maty voatifitra i Tsizeheny sy Lemana, dahalo raindahiny

Nampitondra faisana olona maro ireto andian-dahalo ireto ary efa ela no nokarohina. Ny alakamisy teo, raikitra ny fifanenjehana teo amin’ireto andian-dahalo ireto sy ireo mpitandro ny filaminana. Nisy fifampitifirana ka ny roa tamin’izy ireo no lavo. Dahalo fantatra amin’ny anarana hoe Tsizeheny sy Lemana izy ireo, izay efa tena nikoizana tamin’ny resaka asan-dahalo sy fanafihana mitam-piadiana tany amin’iny faritra iny. Tamin’io andro io, nifanehatra tamin’ireo miaramila avy ao amin’ny Holafy fahefatra ireto olon-dratsy ireto tao Bebao, fokontany Ambaravaranala, kaominina Fiarenana, distrikan’I Tsiroanomandidy. Nosamborina avy hatrany ireto farany ary nokasaina entina eo anivon’ny zandary ho amin’ny famotorana azy ireo. Nahita hirika nitsoahana teny an-dalana anefa izy roalahy ka raikitra indray ny fanenjehana. “Nitsoaka nandositra hatrany ireto olon-dratsy izay tokony hoentina hihazo ny Tobin’ny zandary ao Mahatsinjo ireto na dia teo aza ny fampitandremana, hany ka niafara tamin’ny tifitra nahalavo azy ireo izao” araka ny fampitam-baovao teo anivon’ny Tafika. Mbola mitohy moa ny fikarohana ireo namany sy ny fampandriana fahalemana any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici