Mbola faritra mena amin’ny asan-dahalo ny distrika’i Mandoto, saika ho isan’andro ny asan-dahalo any an-toerana. Tsy voatery hangalatra omby maro intsony ireo dahalo ankehitriny fa lasa manao rainizavona ihany koa. Ny alin’ny zoma 14 jona lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina no fantatra fa nisy omby very tao Bemahatazana, fokontany Antanambao Ambary, distrikan’i Mandoto. Tsikaritry ny tompon’omby izany ka raikitra ny antso lava. Vory maro ny fokonolona niaraka tamin’ny zandary avy amin’ny zanatobim-paritra Ambatotsipihina. Raikitra ny fanarahan-dia, ora vitsy taty aoriana dia tazana tamin’ny toerana iray ny fatin’omby, efa norasarasainy ka ny lohany sy ny tongony ary ny tsinainy sisa tavelateo amin’io toerana io. Nitohy ny fanaharan-dia ka tsy lasa lavitra dia tratran’ny mpanara-dia ireo dahalo. Raikitra ny fifanjevoana sy ny fifampitifirana ka tamin’izany no nahalavo ny dahalo iray antsoina hoe Lekely. Araka ny fampitam-baovao dia fantatra fa efa nokarohina fatratra ity dahalo ity. Tafaporitsaka kosa ireo namany hafa.
Andry N.