- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilÀ lireMahabo : Maty voatifitry ny zanak’i Barinjaka roalahy

Mahabo : Maty voatifitry ny zanak’i Barinjaka roalahy

Niditra an-tsehatra amin’ny resaka fampandriana fahalemana any amin’iny distrikan’i Mahabo iny ireo mpitandro filaminana avy eo anivon’ny vondron-toby manokana miady amin’ny asan-dahalo na USAD. Vokany, ny herinandro lasa teo, dahalo rain-dahiny roalahy no lavon’izy ireo. Ireto farany izay fantatra araka ny fampitam-baovao azo fa samy zanak’ilay dahalo malaza ratsy fantatra amin’ny anarana hoe « Barinjaka ».

Talohan’io fotoana io tokoa mantsy dia nisy fanafihan-dahalo nitranga tao amin’ny fokontany iray tao amin’ny kaominina Bekirobo, any amin’iny distrikan’i Mahabo iny. Rafitra nanara-dia avy hatrany ny fokonolona sy ireo zandary avy eo anivon’ny Usad. Nisy ny fifanandrinana, rehefa tafalatsaka tao anaty velam-pandriaka ireto olon-dratsy. Mafy dia mafy tokoa ny fifandonana satria nisy iray tamin’ireo mpanara-dia no lavon’ny balan’ireo malaso ary nisy roa hafa naratra mafy, izay efa nahazo fitsaboana avokoa. Tetsy andanin’izay kosa, nisy dahalo iray no voatifitra ary nisy naratra fotsiny ihany, saingy nentin’ny namany nitsoaka, rehefa  hitan’izy ireo fa tsy resy tosika ireto mpanara-dia. Ny iray tamin’ireo naratra moa no maty teny an-dalana ary navelan’izy ireo teo. Tamin’izay fotoana izay no nahafantarana fa mpihavana ireto farany satria mitovy endrika. Kambana mirahalahy mihitsy ary samy zanak’io lehiben’ny dahalo io, taorian’ny fikarohana ny famantarana azy ireo. Azo teny am-pelan-tanan’izy ireo daholo kosa ny omby 32 lasan’ireto farany tao amin’io tanana. Mbola mitohy hatrany ny moa asa fampandriana tany ataon’ireto vondro-toby manokana ireto any an-toerana, hikarohana ireo dahalo mpampitondra faisana iny faritra iny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici