Anisan’ny jiolahy malaza amin’ny resaka halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana, ary vono olona any amin’ny kaominina ambanivohitra: Mangabe, Tsararano, Berivotra 5/5 i Lava sy ny namana fantatra amin’ny fiantso hoe: Mejary. Raha ny fampitam-baovao voaray dia efa ela nanaovana fikarohana, izy roa lahy voalaza anarana etsy aloha ireo, ka maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana ihany ny iray, rehefa taty aoriana. Raha hojerena sy hotantarana tokoa ny tena zava-nitranga, dia ny alin’ny 26 oktobra 2024 teo no nahazo loharanom-baovao marim-pototra ny Zandary, fa misy jiolahy am-polony, miomana hanafika sy hangalatr’omby ny ao amin’ny fokontany Bekarara, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano, aty amin’ny distrikan’i Maevatanàna. Raha vantany nahare izany ny Zandary roa lahy, tonga dia niditra an-tsehatra avy hatrany. Nandritra ny fisafoana no hitan’izy ireo ny iray, tamin’ireo olon-dratsy, ka anisan’izany ingahy Georges na ihany koa hoe: Lava. Teo no nitsoaka nalaky ity farany, rehefa nahita ny fisian’ny mpitandro ny filaminana. Na dia teo aza ny fampitandremana tamin’ny alalan’ny tifi-danitra imbetsaka dia mbola nanohy ny diany izy, ary nanery ny Zandary nampiasa ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanany. Tamin’izay no maty, vokatry ny ratra nahazo azy i Lava. Efa tafaveraina any amin’ny fianakaviany moa ny razana, taorian’ny zava-nisy. Nankasitrahin’ny mpitondra sy ny fokon’olona tany an-toerana moa izao nahafatesana jiolahy izao. Ny Zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritran’ny Anosikely no mandray ny raharaha, ary manohy ny fikarohana an’i Mejary namany Lava.
Ratantely