Ny Zoma faha 02 ny volana Febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny dimy ora maraina no voasambotry ny Zandary ilay jiolahy raindahiny antsoina hoe: Lejoby izay mampitondra faisana ny vahoaka any amin’iny disitrikan’Ambatoboeny iny, eo amin’ny lafiny halatr’omby sy fanafihan-dahalo, sady efa pameri-keloka ihany koa ny lehilahy. Taorian’ny fanadihadiana azy, no nentina hanoro ny toerana misy ireo namany ity dahalo ity, nitsoaka sy nanohitra. Na efa nomena fampitandremana aza, tsy nanaiky nijanona, ka nandritra izay nahalavo azy, tao antafian’ny baka, fokontany Ambato avaratra, kaominina Ambatoboeny. Mitohy ny fikarohana ireo namany mpiray tsikombakomba aminy.
Ratantely