- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodifiakarana/Tsaratanàna : Maty voatifitry ny Zandary i Narson mpangalatr'omby gaigilahy

Ambodifiakarana/Tsaratanàna : Maty voatifitry ny Zandary i Narson mpangalatr’omby gaigilahy

Manomboka tsy misomonga amin’ireo olon-dratsy na fahavalom-bahoaka ny Zandary, ato anatin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka ankehitriny. Raha hatao tokoa ny fampatsiahivana ny zava-nisy, tamin’ny 22 Oktobra taona 2025 lasa teo iny dia very nalain’ny jiolahy ny omby an’Atoa Mbilo, izay monina any amin’ny kaominina Bekapaika, disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Ny marainan’ny 13 Febroary taona 2025 teo, tokony tamin’ny dimy ora dia nisy nahatsikaritra, teny am-pelatanan’ i Narson mpangalatr’omby gaigilahy, ilay omby halatra, tao Andrefan’ny tanànan’i Andalamatato, mbola any amin’ny disitrika voalaza etsy aloha. Taorian’izay no nampandre ny tompon’omby sy ny Zandary, avy ao Bekapaika ny olona nahatazana an’ilay omby. Rehefa nahare sy nahazo antso an-tariby ny mpitandro ny filaminana dia niroso tamin’ny fidinana ifotony, ary tratra ambody omby i Narson no voalazan’i Mbilo fa azy mihitsy ny omby. Taorian’ny fisamborana an’i Narson ny androtr’io ihany, tokony tamin’ny enina ora maraina mahery 45 minitra tany ho any, tao amin’ny toerana antsoina hoe: Ambodifiakarana, fokontany sy kaominina ambanivohitra Bekapaika dia nahita rirana ny fomba nitsoahana izy. Nihezaka niantso sy nampitandrina tamin’ny alàlan’ny tifi-danitra ny Zandary, saingy mbola nanohy ny fandosirana havoty re tongotra ihany ity farany. Teo no voatery nampiasa ny basy teo am-pelatanan’izy ireo, ka maty voatifitra i Narson. Tokony tamin’ny 12 ora antoandro teo no nampahafantarina ny zava-nitranga ny ben’ny tanàna any Bekapaika. Efa nomena ny havany kosa fatin’ilay dahalo ho halevin’izy ireo.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici