Omaly no niatrika ny mpitsara mpanao famotorana ny raikelin’i Zaïa, zazavavy dimy taona izay naolana ary novonoina na koa izany no nitarika ny fahafatesany. Mbola tao anatin’ny fanadihadiana ny raharaha tamin’ny fotoana nanoratana. Ny fantatra dia voaporofo ny nisian’ny fanolanana rehefa notsirihin’ny manam-pahaizana ny razana nandritry ny « autopsie ». Tsy nisy afats’ilay zaza sy ny raikeliny anefa ny tao an-trano farany rehefa niasa toa ny isan’andro ny reniny ary tsy tonga raha tsy hariv’andro. Ny fiaraha-monina rahateo dia nahatsikaritra fihetsika tsy milamina tamin’ity miaramila ity mandritry ny maha-tsy eo ny vadiny. Ireo aza no tena isan’ny nanampy tamin’ny fanadihadiana rehefa naka « vidéo » an-tsokosoko ny fiainana hafahafa hitan’izy ireo. Ny alina nisehoan’ilay tranga indray dia zaza efa tsy nisy aina intsony no nentina teny amin’´ny mpitsabo. Rehefa natao ny fanamarinana rehetra ary nampian’ny « autopsie » dia hita fa niharan’ny herisetra sy fanolanana i Zaïa kely. Ny rainy no nalain’ny mpanao fanadihadiana voalohany ary natao andrimaso. Mendrika ny sazy mafy indrindra ity miaramila ity raha voaporofo fa tompon’antoka marina. Ahoana ny fomba hiarovany ny ain’ny vahoaka sy ny fananany raha toa ka ny zaza taizany ao an-trano azo naolany?
D.R