Niakatra tao amin’ny fampanoavana tetsy Anosy omaly ilay raharaha mahakasika ny famonoana ho faty an’i Maurice Rakotomalala tao an-tranon’ny mpampiasa azy tetsy Ambatobe. Ny volana mey 2018 no nitranga izany ary herintaona mahery iray volana aty aoriana dia handeha amin’izay ny raharaham-pitsaràna. Raha ny fantatra mantsy omaly dia amin’ny 15 jolay no hanomboka ny fitsaràna. Nandalo mpitsara mpanao famotorana ireo olona sivy omaly ary isan’izany ny zandary roa izay nisahana ny fiambenana ny trano tetsy Ambatobe tamin’ny fotoana nitrangan’ny fahafatesana. Ankoatra izay dia nisy olon-kafa koa nohenoina ary raha ny fantatra dia ireo izay tao an-trano tamin’io fotoana io izany. Nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ireo rehetra ary afaka iray volana katroka ny fitsaràna, tsy mbola voafaritra kosa na ny fitsaràna ady heloka tsotra na ady heloka bevava no hiandraikitra izany. Niteraka resa-be ity fahafatesana iray ity, indrindra raha tsy nanaiky hatramin’ny farany ny fianakavian’ny maty. Mpamily teo anivon’ny fianakaviana tetsy Ambatobe i Maurice Rakotomalala ary maty tao an-tranon’ny mpampiasa azy rehefa novonoina. Nolazaina tamin’izany fa nisy nanafika ilay trano ary novonoin’ireo olon-dratsy mpandroba ny olona voalaza. Tsy neken’ny fianakavian’ny maty izany satria tsy io olona io irery no tao an-trano tamin’io fotoana io ary koa nisy zandary roa nisahana ny fiambenana ny trano, natory tao ambony rihana. Ny ankilany indray, ny tompon-trano, dia nanamafy fa ireo mpandroba no namono nahafaty azy. Novakiana ny varavaran-kely ary nesorina ny « grille de protection » dia tafiditra tao anatiny ny mpandroba. Nolazain’ny tompon-trano koa fa nisy ny entana very. Nifandrirotra ny roa tonta ary samy niaro ny heviny sy ny tenany. Mbola tao anatin’izany no namoy ny ainy koa ny tompon-trano dia i Maurice Tsihavonana izany. Tsy nifanalavitra ireo fahatesana roa. Maro no nihevitra fa nivalona teo ny tantara. Tsy izay no zava-nitranga satria nanenjana hatramin’ny farany ny fianakavian’ny olona novonoina.
D.R