
Raha ny angom-baovao dia vokatry ny fiverenan’ny jiro tampoka ary niteraka « court-circuit » no nahatonga ny loza, nahalevona tanteraka ity tranoben’ireo relijiozy ao Alarobia Ambatomanga ity, ny talata lasa teo. Nikoropaka ny iray tanàna. Tao no nitsoka kiririoka, ny fiangonana nampaneno lakolosy, ny kiakiaka tetsy sy teroa. Setroka mainty, afo mijoajoala avy hatrany no hitan’ny olona tao anatin’ny haizim-pito. Nanaitra ny torimason’ny mponina tao an-tampon-tanan’Alarobia Ambatomanga, any amin’ny distrikan’i Manjakandriana, ny maraina be, vao mangiran-dratsy, ny andron’ny talata teo izany. Nitrangana hain-trano goavana tao an-toerana tamin’io fotoana io ary ny trano nisy ireo pretra no lasibatry ny afo tamin’io fotoana io. Vantany vao niseho ny afo dia efa samy niezaka nanao izay azony natao nifehy sy namono ny afo ireo tompon’ny trano, narahan’ireo fokonolona tao an-toerana. Na dia teo aza anefa ny ezaky ny tsirairay tamin’ny famonoana izany afo izany dia tsy nahasakana velively ity farany handevona tanteraka ireo sendra azy izany. Nanampy trotraka rahateo ny toetr’andro. Voafehy tanteraka ny afo, adim-pamantaran’andro maromaro taty aoriana. Afo, izay nandrava tanteraka ny trano, ary tsy namela ireo fitaovana rehetra tao anatiny raha tsy lasa lavenona sy tapa-porohana sisa. Na izany na tsy izany aza anefa, raha ny vaovao voaray dia tafavoaka soa aman-tsara avokoa ireo olona tao anatin’ny trano : tsy nisy aina nafoy na ireo naratra. Saingy ny fahavoazana no tena betsaka. Mazava hoazy fa tsy ho tongan’ny mpamonjy voina ny halaviran’ny toerana. Ny sandry arak’izany no niasa ho an’ireo vatan-dehilahy izay sady nisintona rano tanaty lavadrano na naka tamin’ny loharano ary nitatitra izany haingana arak’izay azo natao mba hamonjena ny afo. Samy mba nanao izay ho afany, niditra an-tsehatra hatramin’ny zaza amam-behivavy aza, saingy indrisy fa tsy nahafaty ny afo izany raha tsy elabe taty aoriana.
m.L