- Publicité SW45 -
mercredi, juillet 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMayotte : Gasy 22 isa nosamborin’ny zandary tany an-toerana

Mayotte : Gasy 22 isa nosamborin’ny zandary tany an-toerana

Ity ilay sambokely izay notanan’ny zandary avy hatrany
Ity ilay sambokely izay notanan’ny zandary avy hatrany

Sambokely “kwass”, irony fampiasa ao Mahajanga sy Nosy-Be irony, no nentin’ny olona 22 isa, Malagasy, nankany amin’ny nosy rahavavy Mayotte. Mbola nisy rongony koa…

Nosamborina ireo olona 22 izay nolazain’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, ny marimarina kokoa ny zandary frantsay, fa nikasa hitsoa-ponenana any Mayotte. Niampy ny vesatra ho an’ireo olona ireo rehefa mbola nahitàna rongony milanja 24 kilao ihany koa ny sambokely nitondra azy ireo. Omaly tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina izy ireo no saron’ny mpiandry sisin-tany. Nahavita nitondra azy ireo nandritra ny 250 km ny sambokely izay manana tanjaka 140 chevaux, tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto ny toerana niaingany. Olona roa no avy hatrany dia notazomina noho ny fitaterana rongony sy fivarotana an’izany, raha araka ny filazam-baovao ao Mayotte. Ny ambiny dia mbola nentina nozahàna aloha ny fahasalamany alohan’ny nitondràna azy ireo tany amin’ny toerana hitazomana azy. Mavesatra ny sazy miandry ireo mpanondràna rongony raha voamarina ny vesatra mipetraka amin’izy ireo. Mety ho tonga hatramin’ny folo taona an-tranomaizina ary fandoavana vola hatramin’ny 7.500 euros ary raha mbola voamarina aza fa miasa anaty fikambanan’olon-dratsy izy ireo dia mety ho tonga hatramin’ny 30 taona ny sazy miandry. Izany no voalazan’ny fehezan-dalàna famaizana frantsay. Kwass ny anaran’ilay sambokely nitondra ireo olona. Vitsy ny sahy manao dia lavitra amin’ity karazany ity, satria tsy natokana loatra ho amin’izany ny Kwass. Saingy ireo Malagasy 22 dia nanapa-kevitra naka risika ho an’ny ainy mba hialàna eto Madagasikara ka hialokalofana any ivelany, any Mayotte tamin’ity indray mitoraka ity. Ny zandary misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava ao Pamandzi no misahana ny fanadihadiana. Toe-javatra roa izany no hohadiadian’izy ireo dia ny momba ireo fanondranana rongony 24 kilao sy ny fidirana an-tsokosoko, raha voamarina izany, nataon’ireo gasy 22 isa.

 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser