- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMayotte : Ramatoa mpanodrana mpivaro-tena gasy notsaraina

Mayotte : Ramatoa mpanodrana mpivaro-tena gasy notsaraina

Ireny vedety kely « kwassa kwassa » ireny no hitondràna ireo vehivavy marobe. Miainga amin’ny morontsiraka malagasy ary miditra an-tsokosoko ao amin’ny nosy Mayotte. Vehivavy malagasy iray mitondra ny anarana C.R.S, 35 taona, no voarohirohy ho tompon’antoka amin’ity fanondranana olona ity. Nosamborin’ny mpitandro filaminana tao an-toerana izy ary nanomboka teo ihany koa ny raharaham-pitsarana. Tsy notazomina am-ponja aloha ary mbola mitohy rahateo ny fanadihadiana momba azy. Na izany aza dia arahin’ny fitsaràna maso ary nasiana ireny « bracelet électronique » ireny nanomboka ny volana jiona lasa teo. Omaly dia naverina nodinihina ny raharaha ary nohenoin’ny fampanoavana tao Sain-Denis ilay ramatoa noho ny fangatahany ny mba hanalàna ilay rojo fanaraha-maso azy. Nolavina aloha izany ary mitohy araka izany ny fijirihana azy mandra-pivoakan’izay mety ho didim-pitsarana. Raha ny ahiana hatreto dia izy no atidoha mikotrika ny fanondranana Malagasy ao Mayotte mba hivaro-tena. Ankoatra ny fampidirana an-tsokosoko ireo vehivavy ireo dia mbola nisy iray tsy ampy taona ihany koa (16 taona) tao anatin’ireo olona voarohirohy ampiasain’i C.R.S. Miara-miasa  amin’io farany ny zaodahiny izay voaporofon’ny mpanao fanadihadiana fa tompon’ny vedety nitondràna ireo olona. Betsaka ny Malagasy mitsoa-ponenana mankany amin’ireo nosy rahavavy, indrindra ao Mayotte. Tsy ady an-trano na koa fiarovana ny aina no anton’ny fitsoaham-ponenan’ireo olona fa noho ny fitsoahana ny fahantrana. Maro ny tratra ary misazy ao an-toerana. Misy koa anefa ireo averina faran’izay haingana. Arakaraka ny fisehoan’ny anton’ny fahatongavan’ireo ao an-toerana ihany ny fanapahan-kevitry ny fanjakana momba izany. Indraindray mantsy, amin’ireo mpiondrana dia mbola misy mitondra zava-mahadomelina ihany koa ary eo no tsy maintsy saziana amin’ny lalàna manan-kery ao an-toerana. Mitsoaka fahantrana ny olona…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici