
Nohazain’ny zandarimaria ao Mayotte hatramin’ny farany ny tambajotra amin’ny fivarotan-tena ataon’ny Malagasy ao an-toerana. Efa roa voalana lasa izay no voasambotra ny mpivarotena fito, ny dimy amin’izy ireo dia tsy nisy taratasy tanteraka, izany hoe niditra an-tsokosoko tao amin’ny nosy Mayotte. Teratany malagasy avokoa izy ireo. Nisy mpanafatra tao ambadik’izy ireo ary io no manakarana. Notohizan’ny zandary tao an-toerana ny fanadihadiana ary ny alin’ny asabotsy teo dia hita ny hotely fampiasan’ilay tambajotra. Nosamborina ny tompon’ireo hotely efatra tao Mayotte ary efa mandalo fanadihadiana eo anivon’ny zandary misahana ny heloka bevava. Hatreto dia notazomina izy ireo noho ny fivarotana olona sy fikarakarana ny fanondranana ho any Mayotte sy ny fampiasana ireo vehivavy ho mpivarotena avy eo. Etsy andanin’izany, mitohy hatrany ny hetsika fanakatonana tanteraka ireo toerana fipetrahan’ny olona tsy misy taratasy. Maro ny Malagasy voakasik’izany ary ireo niditra an-tsokosoko avokoa izany. Nandefasan’ny firenena frantsay miaramila an’arivony nanao ny hetsika ary tsy misangy ny hetsika satria tena nampiasa hery ireo mpitandro ny filaminana. Mitatra ankehitriny ny fampiharana ny lalàna ary hatramin’ny fivarotan-tena tsy ara-dalàna ny famongorana. Manadio tanteraka ny tanànany izay mitady ho lasa toerana mety ho an’ireo mpitsoa-ponenana eo amin’ny nosy manodidina azy ity firenena ity ankehitriny ary tena ampiasainy tanteraka ny heriny ao anatin’izany.
D.R
Oay rizareo a! Ary mba taiza ireo « sociétés civiles mpi- » sonner alerte » taty am-piaingana(Madagasikara) no efa « lafo » any ivelany (Mayotte) sy hitrangan’izao « herisetra » izao vao fantatra(soa ihany fa tsy ny fitondram-panjakana malagasy no « nanondrana an’ireo olona ireo ».