Mirongotra ny asan-dahalo. Manomboka manao sesilany indray ny fanafihan-dahalo ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Nirefodrefotra eran’ny tanàna ny feom-basy tetsy amin’ny fokontany Mazavatakona, kaominina ambanivohitra Madiromirafy, ny alahady lasa teo. Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina teo no niseho ny asan-dahalo tao amin’io fokontany voalaza etsy aloha io. Nofaohin’ireo jiolahy ny omby maromaro mbola tsy voafaritra isa tao am-bala. Raha ny fanatatra dia 12 lahy no namita ny asa ratsy. Ny valo tamin’ireo mitam-basy, ary ny efatra ambiny kosa nitondra sabatra lava sy moara. Nanapoaka basy sy nitsoka kiriorioka tao amin’ilay tanàna izy ireo raha vao tonga. Nambanana basy ny olona iray tanàna, ka tsy nisy afa-nihetsika. Ka teo no nahazoan’izy ireo ny omby rehetra tao am-bala. Vetivety monja ny fanafihana. Lasa nitsoaka ireo malaso ireo sady mbola nanapoaka basy. Nirefodrefotra ny basy. Nandositra niatsinanana izy ireo. Tsy nisy nanao saron-tava ihany koa ry zalahy ireo, araka ny fitantaran’ny ben’ny tanànan’i Madiromirafy, Atoa Rabefaniriana Martial hatrany. Taorian’izay no tonga nanao ny fanenjehana ny zandary efa-dahy any an-toerana, saingy efa tsy tratra intsonyireto mpanao ratsy. Mandeha ny fikarohana ny raharaha. Marihina fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy nandritra ny fanafihana niseho tao Mazavatakona.
Ratantely