
Nosamborina tetsy Anosizato, teo akaikin’ny trano fonenany izy mivady. Efa narahina i Fernand Cello ary rehefa tsy hita tany amin’ny toerana nisitrihany teny Amboanjobe dia avy hatrany dia nizotra teny amin’ny trano nisy ny vadiny etsy Anosizato ireo zandary maro. Tratra teo tokoa ny alin’ny alakamisy tokony ho tamin’ny sivy ora alina. Notazomina tetsy Fiadanana izy sy ny vadiny ary olona dimy hafa iny alina iny. Omaly manodidina ny tamin’ny folo ora maraina dia nentina teny anivon’ny mpitsara mpanao famotorana. Ny tolakandro dia nalefa eny amin’ny fonjan’Antanimora mba ho fitazomana vonjimaika azy. Antony roa dia ny fanelezana vaovao tsy marina (filohan’ny Hcc no mpitory) ary koa fanohintohinana filaminana anatiny. Ireo no fanenjehana an’i Fernand Cello. Io farany dia be mpanaraka amin’ny tambajotra sosialy noho ny fizaram-baovaony izay matetika tsy hita sy tsy fantatry ny besinimaro. Tsy misorona izy ny manitsy izay voakasika, indrindra raha manam-pahefana. Saingy toy ny olona maro toa azy dia niafara any am-ponja koa rehefa nokarohina nandritra ny herintaona. Ny vadin’ i Fernand Cello sy ireo olona dimy niaraka kosa dia afaka namonjy fodiana omaly.
D.R
tena malalaka sy feno fahafahana ity frenentsika ity…
miandry ny fisamborana ireo nampanantena jiron tsy tapaka, autoroute, téléphérique mandeha sy manala embouteillage, rano mikoriana sy tsy ilaharana….