Ny kaominina ambonivohitr’i Morondava no voahosotra ho kaominina mendrika.
Ny kaominina ambonivohitry Morondava no voahosotra ho kaominina Mendrika Salama Mihabo. Izany no fantatra nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny rano; izay natao tao amin’ny renivohitry Menabe.
Hetsika nokarakarain’ireo mpiara-miombon’antoka momba ny rano sy ny fidiovana ka nampitrondraina ny lohahevitra hoe “Na iza inao, na iza ianao mila rano”. Nisy ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana tamin’ny fifaninanana tokatrano modely, amin’ny fitaizana zaza latsaky ny 5 taona, ny fikarakarana ny vehivavy mitondra vohoka. Tsy latsa-danja ihany koa ireo ezaka nataon’ireo mpanentana fahasalamana eny ifotony sy ho an’ireo toby isam-pokontany ka notolorana fitaovana ihany koa, toy fitaovam-pandanjana zaza, “machine à calculer,trousses, classeurs, cahiers, bidons, sns…”
Anastase