Hiala eto amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ilay sambo mpitsabo “Mercy Ships” mandalo eto amintsika, noho ny fitsaboana maimaim-poana fanaony. Ny antony dia tsy fahavitan’ny Sonia ilay “Protocole d’accord general”, izay tsy mety vitan’ny fanjakana Malagasy, raha tsy voarainy hatramin’ny anio 06 aogositra izany dia tsy maintsy handao an’ny seranan-tsambon’i Toamasina Madagasikara izy ireo.
Miantoka aman’ain’ny Malagasy tsaboina ao anefa ny fandalovan’ity sambo mpitsabo ity, noho io antony voalaza io dia mety ho tapaka izany ny 05 Septambra na efa ny volana febroary teo ny fahatongavany teto. Milaza anefa ny sambo “Mercy Ships” fa efa lasan’ny fanjakana avokoa ny antontan-taratasy ilainy rehetra amin’ny fanomezana ity “Protocole d’accord general” ity, nefa hatramin’izao dia tsy mety mivoaka izany. Efa nisy izany ihany ity sambo “Mercy Ships” tamin’ny taona 2014 andron’ny praimisitra Kolo Roger, saingy efa lany daty folo taona aty aoriana izany ankehitriny ka tokony havaozina izany. Raha ny fantatra dia efa nanao fitsidihana an’ity sambo mpitsabo ity ny filoham-pirenena ny 15 jona lasa teo, ary efa natsidika taminy ity tokony hanomezana ny “Protocole d’accord general” ny sambo “Mercy Ships”. Raha ny fanazavana dia efa olona 100 no nahazo fandidiana teo anivon’ny “Mercy Ships” ary efa namonjy fodiana izy ireo. Mametra-panontaniana koa ireo mpiasa maimaim-poana eo anivon’ity sambo mpitsabo ity, satria misy marary hatramin’ny 1.300 efa voafantina tokony hiatrika fandidiana maimaim-poana eo anivon’ity sambo ity.
Ankoatra izany dia ny momba ireo mpiasa 300 noraisin’ity sambo mpitsabo ity, ho aiza izy ireo raha mandao an’i Madagasikara ity sambo ity noho ilay “Protocole d’accord general”, satria raha ny fifanarahana arak’asa azony dia hatramin’ny taona 2025 ny asa ataony ao. Miankina amin’ny fanjakana ny zava-drehetra ka anjarany no mamoaka izany alohan’ny datin’ny 06 aogositra fahataperan’izany, izay tsy maintsy hialan’ity sambo ity eto Madagasikara ny 05 septambra ho avy izao, noho ireo fanomanana tsy maintsy atao.
Malala Didier