
Zokiolona izy ankehitriny eo amin’io sehatra io. Saingy talohan’izany dia efa nandrombaka amboara maro : tompondakan’ny faritany ny 1994-1998 (semi 21km) ; tompondakan’ny faritany ny 1993-2000 (5000m sy 10.000m sur piste) ; tompondakan’i Madagasikara ny 1994 (semi 21km) ; faharoa tamin’ny fifaninanam-pirenena ny 1996 (10.000m sur piste). Ankoatra ireo dia nandray anjara hatrany izy na efa niha-lehibe aza, hatramin’ny taona 2000. Izany dia mba hanohanana io taranja io. Manana ny maha-izy azy araka izany i Jean Louis Rakotoarisoa eo amin’ny tontolon’ny atletisma ary nanamarika vanim-potoana lava. Ankehitriny dia tsy nisalasala izy naneho ny heviny momba ny tontolon’ny atletisma ao Toamasina : « mitontongana, miala aina (…) mba tsy hilazàna hoe maty tanteraka ». Raha ny fijeriny ny mety ho anton’izany dia ny tsy fisian’ny fifaninanana mihitsy, kanefa dia taninketsan’ny atletisma ny faritra. « Etsy ankilan’izany, tsy misy intsony ny kianja ilalaovana. Ny etsy amin’ny Ceg Ratsimilaho izao dia feno rano lava ary tsy azo hidirana koa ny kianja Ratsimilaho rehefa misy fanadinana. Etsy amin’ny CRJS indray dia, ankoatra ny rano izay mihangona eo an-toerana dia mbola lavabe koa ny bozaka. Ny kianja etsy amin’ny Lisea Jacques Rabemananjara indray dia mbola mila fanamboarana tanteraka vao azo anaovana atletisma », hoy hatrany ity kintan’ny atletisma taloha ity maneho ny alahelony. Ny hany azo eritreretina, raha araka ny fijeriny ihany, dia ny kianja ivelan’ny « stadium » no hanamboarana toeram-pihazakazahana. Tsy mba nisy nihaino anefa ny soso-kevitr’ity atleta izay nitondra avo ny anaran’ny faritany teo aloha ity. Misintona ny sain’ny Ligue sy ny Section ny tenany mba handray andraikitra ka tsy hitazam-potsiny ity fialàna ainan’ny atletisma ity ao Atsinanana. « Tamin’ny andronay dia nisy fifaninana dimy isan-taona farafahakeliny. Izany dia ankoatra ny fiadiana ny tompon-dakan’ny sekoly. Namokatra atleta maro izany ary tena natahorana ny avy eto Toamasina, indrindra tamin’ny semi-marathon. Ankehitriny dia toa lasa nataon’ny sasany tohatra politika fotsiny ny atletisma ary rehefa tratrany ny tanjony dia navelany teo, ary lasa kamboty tanteraka », hoy ny fanazavan’ilay kintana fahiny.
D.R