- Publicité -
lundi, août 18, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiami Toamasina : Hampiranty voka-pikarohana maro

Miami Toamasina : Hampiranty voka-pikarohana maro

Fatana mandeha amin’ny ampombo matevina, masomboly voatabia iray sy zezika 200 Ar dia tsy mividy voatabia intsony ny isan-tokantrano fa afaka mamboly eny andavarangany avy, fampianarana ny kolontsaina japoney Kaizen izay nampandroso firenena maro tany ivelany. Isan’ny hisongadina ireo, ankoatra izay tsy voatanisa, mandritra ny hetsika « Alavoly 2025 » izay hotontosaina ao Miami Toamasina ny 20-23 aogositra. Famolavolana ny olona mba hanana toe-tsaina miray hina hiara-mandresy ny fahantrana. Tanjona ny hisian’ny fiombonam-po sy fiombonan-tsaina mba ho tsapan’ny rehetra fa manana adidy ny tsirairay raha te hiala amin’ny fahantrana, raha araka ny mpikarakara, Rasamimanana Faly. Io farany izay manana traikefa iraisam-pirenena, toy ny fivoriam-be samihafa tany ivelany izay nitondrany ireo vina mikasika ny fampandrosoana manakaiky ny vahoaka. Isan’ny nahafantarana azy koa ny fikarohana nataony, toy ny namokarany zezika organika azo avy amin’ny tain-dalitra, izay mahatonga ireo vokatra ara-pambolena ho ara-pahasalamana tokoa , manatsara tontolo iaiiana, ary mahatonga fidinan’ny vidim-piainana raha tena mahasahana an’i Madagasikara. Teo koa ny famoronan-dRasamimanana Faly ilay “application” mitondrana ny anarana “Holy” izay efa miasa amin’izao fotoana. Miteraka mangarahara amin’ny fitantanana isan-karazany io teknolojia io ary manampy betsaka amin’ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana. Manomboka avy amin’ny masomboly ka hatramin’ny fivarotana vokatra dia ho voara-maso avy amin’ny alalan’io fitaovana io. Izany rehetra izany dia haranty mandritra ny hetsika « Alavoly » izay mikajy ny fampivoarana ny mpandalo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici