- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiandrarivo Ambanidia : Mirongatra ny vaki-trano, mitaza-potsiny ny mpitandro ny filaminanana

Miandrarivo Ambanidia : Mirongatra ny vaki-trano, mitaza-potsiny ny mpitandro ny filaminanana

Mihorohoro ireo mponina eny amin’iny faritra Miandrarivo Ambanidia noho ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana miseho eny antoerna tato ato. Manjaka ny vaki-trano, manginy fotsiny ny asa fanendahana  ataon’ireo tsy mataho-tody mihatra amin’ireo mponna ao amin’ity fokontany ao amin’ny boriborin-tany faha-2, kaominina Antananarivo Renivohitra ity.

Toa efa voahomana

Raha tsorina dia nirongatra izay tsy izy ny fandrobana sy fanafihana toeram-pivarotana tao amn’iry fokontany voalaza etsy ambony iry tato anatin’ny tapa-bola teo izay. Ny mahagaga dia fivarotana mananamorona ny arabe avokoa no lasibatra tamin’izany ary araka ny fantatra dia tamin’ny ora izay mbola misy olana mivezivezy avokoa no miseho ny fandrobana. Ohatra iray ity vao nitranga omaly alina ity tokony ho tamin’ny 11 alina. Olona iray no sendra ireo mpiasa naterin’ny fiara avy niasa ninatso vonjeo fa vao nisy namaky ny tranony. Manoloana izany dia nirohitra namonjy ireto mpiasa ka nahita fa toeram-pivarotan-kena ilay voaroba. Araka ny volazan’ny niharamboina dia vao haingana teo ireo jiolay no nanao ny asa ratsiny ary nitsoaka nihazo ny lalan-kely miala sy lavitra ilay toeram-pivarotana raha vao nahita ny jiron’ilay fiara nanatitra  mpisa izay  nijanona tsy lavitra teo. Araka ny fantatra dia toerana misy mpinadry no misy io fivarotana voatafika io, izay tsorina fa tokony ho voaaro satria tokony ho nisy nahta ireo jiolahy raha hahano ny asa ratsiny. Nahagaga anefa fa tamin’ny fotoana nahatongavan’ilay fiara mapanititra mpiasa indrindra no  taitra ilay tompo-trano raha nahita fa nibanabana ny fivarotany ao ambadika ny trano fatoriany. Araka ny filazany dia mbola tazany ny olona iray izay nivoaka ny trano voaroba nitodtra zavatra. Araka ny fantatra moa dia very nandridtra  ity fanafihana ity ny mozana fandanjana hena sy ireo hena izay nijanona tao am-pivarotana io alina io. Raha vao nahita ity tranga ity ireo mpiasa naterina izay marihina fa mpanao gazety dia nampandre avy hatrany ny polisy fa saingy toa tsy nisy valiny izany raha ny filazan’ireo niharam-boina. Tsy nisy tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nefa dia efa mahalala izyireo ny amin’ny fisian’ny haltra toy izao eny en-toerana tato ho ato.

T.M

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici