- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrarivo : « Dockers » niady, maty voatsindrona antsy ny iray

Miandrarivo : « Dockers » niady, maty voatsindrona antsy ny iray

Amin’ny andro antoandro, manodidina ny mitataovovonana, no nandriaka ny rà ary teo amin’ny toerana be olona. Ny anton’izany dia noho ny fifamaliana ara-bola teo amin’ny mpibata entana roa lahy. Tsy nisy dia niasa saina firy ny olona satria tsy vao voalohany no nisy tsy fifankahazoana nitarika fifamaliana toa izany teo amin’ilay toerana, eo Miandrarivo-Ambanidia. Tampoka teo anefa dia nalain’ny iray ny antsy ary natsatony teo amin’ny tendan’ilay mpiara-miasa aminy. Nandriaka ny rà ary teo ihany dia efa hita fa ho ratsy ny raharaha. Nieazaka ny olona ny nitondra ilay naratra teo amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina teo amin’ny manodidina. Rehefa vita ny famonjena izay azo natao dia nalefa teny amin’ny hopitaly ary tonga tany dia efa tsy nisy aina intsony. Ny nahavanon-doza kosa, tsy lasa lavitra dia tratran’ny olona. Tovolahy mbola tsy ampy taona, 17 taona, io farany. Nentina avy hatrany teny amin’ny polisy ary nanokafana fanadihadiana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici