Fanontaniana mbola tsy nahitam-baliny amin’izao ny hoe : Iza marina àry no «mpamosavy» ao ambadiky ny fanaparitahana ity ambalavelona ity ? Iza no mahazo tombontsoa amin’ ny famotehana ny zaza malagasy ? Na dia efa any am-ponja nanomboka ny faramparan’ ny volana novambara lasa teo aza ireo olona enina (Kohen Rivo Lala sy ny olona efatra hafa namany ary mpampianatra iray), izay voatonontonona ho tompon’ antoka tamin’ ny fiparitahan’ ny aretina ahiahiana fa fositra nahatonga ny ambalavelona any Miandrivazo. Ankehitriny dia mitatra hatrany ny voan’ity aretin-dratsy ity.
Tsy sitrana. Fantatra izao, raha ny voalazan’ ny loharanom-baovao avy any an-toerana, nanomboka ny herinandro nivalona iny no mankaty dia nanao ranolava ny fihetsehan’ aretina hafahafan’ ireo ankizy madinika (lahy sy vavy) mianatra amin’ ny ambaratonga fototra no lasibatra mitondra faisana tratrin’ity ambalavelona ity, raha ireo tovovavy tamina sekolim-pinoana fotsiny teo aloha. Vokatr’izany, maro amin’ ireo ray aman-dreny no matahotra mandefa ny zanany any an-tsekoly, satria tsy mbola misy fahasitranana ny ankamaroan’ ireo mpianatra voa teo aloha. Misy ireo somary sitrana, hoy ny vaovao voaray, nefa miverina mihetsika indray.
Eric Manitrisa
Miandrivazo : Ambalavelona, ireo mpianatry ny EPP indray no lasibatra amin’izao
Articles qui pourraient vous intéresser