Mirongatra izay tsy izy ny tsy fahandriampahalemana ao anatin’ny distrikan’i Miandrivazo. Ahiana araka izany fa tsy ho tomombana amin’ny tokony ho izy ny taom-pambolena 2016 ity, raha ny vokatra tsaramaso izay mampalaza an’ity faritra ity no asian-teny. Voly tsaramaso izay nisian’ny fifanekenam-piaraha-miasa eo amin’’ireo mpamboly sy ny fikambanana STOI ao anatin’ny “agriculture contractuelle ” ka tohanan’ny fandaharan’asa Matoy vatsin’ny fanjakana soisa vola. Vokatr’izao tsy fandriam-pahalemana izao, fa indrindra ny halatra omby, dia sahirana ireo tantsaha amin’ny fitadiavana omby ilaina amin’ny fampiasana ny tany. Atahorana araka izany ihany koa ny tsy fahatongavan’ireo mpividy vokatra any an-toerana, amin’ny taom-pamokarana manaraka. Eo anatrehan’ireo olana ireo, dia nanentana ireo tantsaha mpamokatra ny mpandrindram-paritra ny fandaharanasa Matoy ao Menabe, Raobelison Fidy Denis, sy ny fikambanana STOI, amin’ny fampiasana ny milina ho an’ny asa tany ary ny fikirakirana ny vola amin’ny alalàn’ny finday..
Fampiroboroboana. Ho fampivoarana ny seha-piarihana tsaramaso “laingon’i Betsiriry” izay mampalaza ny distikan’i Miandrivazo, sy ho fampiroboroboana ny toekarena ifotony amin’ny fitadiavana ny lalam-barotra anatiny sy ivelany, dia napetraka tamin’ny taona 2014, ny fifanekenam-piaraha-miasa, na ny “agriculture contractuelle”, eo amin’ireo tantsaha mpamokatra tsaramaso sy ny fikambanana STOI ary tohanan’ny fandaharanasa Matoy vatsin’ny fanjakana soisa vola. Ny tanjona amin’izao fiaraha-miasan’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpandraharaha izao, dia ny fampitomboana ny vokatra sy fanatsarana ny kalitao amin’ny alalàn’ny fampiasana masomboly voafantina. Tamin’ny taonam-pamokarana 2015, dia nahatratra 1,300 taonina isaky ny” hectare” ny vokatra tsaramaso azo, raha 700 kg monja any amin’ireo tany afrikanina sasany. Tantsaha 600 mahery no ao anatin’ity “agriculture contractuelle” ity ary 500 taonina mahery no azo tamin’ny taon-dasa iny. Mitohy ny ezaka, na dia eo aza ireo olana samihafa, toy ny fihenam-bidin’ ny tsaramaso eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Marihina fa na dia nihenam-bidy aza ny tsaramaso eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, dia tsy nihena ny vidiny nandraisan’ny STOI ny vokatra eo amin’ireo tantsaha, vokatr’izao fifanekem-piaraha-miasa izao, izay tombony iray ho an’ireo tantsaha.
Anastase