Dahalo miisa 44 nitondra basim-borona 30 no nanafika tao Andolobe, omby miisa 73 no lasan’ny dahalo tamin’izany. Avy hatrany dia nanao ny fanarahan-dia izy ireo tamin’izany ka raikitra ny fifanjevoana. Tsy nifampitsitsy na ny andaniny na ny ankilany ka naharitra tany amin’ny iray ora sy sasany ny fifampitifirana . Vokany dahalo 5 no matin’ny zandary ary 12 kosa ireo naratra izay nentin’ny namany nandositra. Taty amin’ny fokonolona kosa no nisy naratra iray ary tafaverina tamin’ny tompon’ny soa aman-tsara ireo omby rehetra. Efa mailo tokoa ny olona amin’izao fotoana izao manoloana ny asan-dahalo ka tsy ela dia manao ny fanarahan-dia sy ny fanafihana izy ireo.
ALEM