Intelo miantoana, vao rava ny tanàna iray, toerana famaharana sy fitobian’ireo dahalo tany amin’iny distrikan’i Miandrivazo iny, ny talata lasa teo. Nahafatesana dahalo telo ary naharatrana telo hafa izany fifandonana izany tamin’io fotoana io.
« Tsy tantara sarimihetsika na sarin’ady fa tena hetsika maneho ny ezaka ataon’ireo mpitandro filaminana any ambanivohitra any » hoy ny filazam-baovao azo. Nahery vaika tokoa ny fifanandrinana teo amin’ireo mpitandro filaminana, ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenana sy ny tafika malagasy, tamin’ireo andian-dahalo efa ho am-polony maro, mirongo fitaovam-piadiana, raha handeha hiditra ao amin’ny tanànan’Ambalamanga, kaominina Ankorondromena, disitrak’i Miandrivazo iretsy voalohany. Raha ny nambaran’ny loharanom-baovao fa toerana famaharan’izy ireo ity tanana izay, izay nahitana omby avy nangalarina efa vita kitoza.
Ny zava-nisy : ny voalohandohan’ny volana teo dia nisy mpiandry omby roalahy no maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao Mokotra, kaominina Ankondromena. Rehefa nandray an-tanana ny raharaha ireo mpitandro filaminana tany an-toerana dia fantatra fa nitsoaka nihazo an’Ambalamanga ireo dahalo niaraka tamin’ny omby halatra. Rehefa natao ny tsongo-dia sy fanadihadiana isan-karazany dia voamarina tokoa fa miery ao amin’ity tanana ity ireo olon-dratsy. Tamin’io talata (afak’omaly) io ary dia nidina maraina teny an-toerana ny zandary sy ny tafika, hisambotra ireo nahavanon-doza. Vao handeha hiditra ny tanana fotsiny anefa izy ireo dia efa tifitra variraraka no nitsena. Voatery niaro tena ary nanamafy ny paik’ady ireo mpitandro filaminana ka namaly tifitra ihany koa.
Nanohy ny dian’izy ireo nandroso ihany anefa ireto tonga hisambotra na dia teo aza ny fifampitifirana fanindroany indray. Tsy ela dia resy tosika ireo fahavalo tao ambohitra ka azo sy voafehy mora foana ilay tanana, izay voalaza fa mandan’ireo dahalo. Tsy vita teo anefa ny ady ! Mbola namory ny namany ary nitady fanampiana tamin’ireo olony hafa ny lehiben’ireo dahalo. Niha-nitombo arak’isa izany ka sahy nihantsy sy handeha hanafika ireo miaramila sy zandary efa tafiditra tao an-tanana. Velona teo indray ny fifandonana fanintelony. Na teo aza anefa izay fahamaroan’isan’ireo olon-dratsy izay dia tsy nahaleo tosika ny herim-pon’ireo mpitandro filaminaan efa tsara hofana izany. Ity fifandonana fanintelony ity no tena mafy indrindra saingy tsy nisy nanombinana ireo tonga hisambotra olon-dratsy. Tamin’ireto farany kosa no nisy telo, dangy nitsitra teo am-povoan-tanana rehefa voatifitry ny bala ary nisy naman’izy ireo hafa naratra mafy. Izany toe-javatra izany, manginy fotsiny ny fanovàn’ireo mpitandro filaminana paik’ady vaovao, no nahatonga fahakiviana teo amin’ireo malaso ka tapitra nanao tongotra an-katoka nitsoaka nihazo ala avokoa izy ireo. Nilaza ny mbola hamaly faty an’Ankondromena ireo dahalo, hoy hatrany ny vaovao azo saingy efa vonon-kisedra an’izany ireo mpiaro ny vahoaka sy ny fananany. Tsy hiandry an’izay rahateo izy ireo, raha ny vaovao hatrany fa hanao hazalambo ireo tafatsoaka ary tsy ho avelan’izy ireo raha tsy voasambotra avokoa ireto farany.
m.L