- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Famatsian-drano, 15 minitra vao mahafeno bidao 20 litatra iray…

Miandrivazo : Famatsian-drano, 15 minitra vao mahafeno bidao 20 litatra iray…

Anisan’ireo tanàna tena mafana indrindra eto amin’ny Nosy ny tanànan’i Miandrivazo, izay mahatratra eo amin’ny 34° mahery ankehitriny amin’ny  andavanandro. Mijaly araka izany ny mponina, raha tsy hilaza afa-tsy amin’ny lafiny famatsian-drano. Ny rano izay miantoka ny ain’ny olona sy ny zava-boahary rehetra.

An-taonany. Efa an-taonany maro izao no mijaly amin’ny famatsian-drano ny mponina ao Miandrivazo tampon’ny tanàna sy ny manodidiana akaiky, vokatry ny tsy fahampian’ny loharano mamatsy an’ireo fotodrafitrasa fitarihana sy ny famatsiana azy. “15 minitra vao mahafeno bidao 20 litatra iray eo amin’ny paompy” , hoy ity renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Ampasana, sendra tafaresaka taminay, izay nitarainana ihany koa, ny fahasahirana amin’ny tsy fahatomombanan’ny asa andavanandro ataony, toy ny fandrahoana ny sakafo, ny fanomanana ny mpiasa handeha  hiasa sy ny mpianatra handeha hianatra,sns… Lasa miteraka fikorontana eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina matetika ny fividianana rano ivelan’ny paompy amin’ny vidiny lafo. Tamin’ny faran’ny volana desambra lasa teo dia nandray ny andraikitra mifanandrify aminy ny ben’ny tanànan’i Miandrivazo, ny dokotera Rakotoarivelo Tatafenoarisoa Raymond, ka nampiantso ny tomponandraikitry ny fitantanana ny famatsian-drano ao Miandrivazo, ny “Entreprise Abrahame” sy ireo mpanolotsaina ny kaominina. Tapaka tamin’izany fa anjaran’ny “société Abrahame” no mitady loharano afaka mamatsy tsara ny rano. Andrasana araka izany ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra noraisiny.

 “ODD”. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana, fa na dia eo aza ny ezaka ataon’ny fanjakana sy ireo mpiara-miombona antoka aminy, dia tsy dia ahitana fiakarana firy ny tahan’ny fahazoana rano fisotro madio eto amintsika. Amin’ny ankapobeny dia  noho ny fahasimbana misy eo anivon’ireo fotodrafitrasa maro no antony ary tsy dia asiana resaka loatra eo anivon’ny sehatry ny rano, indrindra fa amin’ny lafiny zohy sy ny  tomban’ezaka (suivi et evaluation). Kely finoana amin’ny hanatratrarana ny  ODD na ny  “Objectif du Développement Durable” dradradradraina ny olona, ary  matetika tsy mifanandrify amin’ny zavatra iainan’ny daholobe izy.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici