Nisehoana fifandonana mahery vaika indray tany amin’iny distrikan’i Miandrivazo iny ny alarobia lasa teo, teo amin’ireo fokonolona mpanara-dia niaraka tamin’ireo zandary sy ny andian-dahalo avy nanafika. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia niteniteny ny basy. Vokany, niisa sivy indray ireo faty niampatrampatra teny an-tany fiadiana. Olona enina ny avy amin’ireo fokonolona, ary telo kosa ny an’ireo malaso. Nisy ihany koa ny naratra raha ny fampitam-baovao azo, na teo amin’ireo mpanara-dia izany na teo amin’ireo mpanafika. Ny an’ireo farany moa dia nentin’ireo namany nitsoaka niaraka taminy fa ny an’iretsy voalohany kosa nentina niverina namonjy tanàna. Nilavo lefona tamin’ny fanenjahana ireto fokonolona vokatr’izay, ary tafaporitsaka ireo malaso, niaraka tamin’ireo omby avy nangalariny. Marihina fa avy nanafika ny omalin’io tao amin’ny tananan’i Beteva, tany Miandrivazo, ireto andian-dahalo tafakatra any amin’ny roapolo lahy mahery any ho any. Mbola mitohy ny fikarohana ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana.
m.L