- Publicité SW45 -
lundi, juillet 8, 2024
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Fanosoram-potaka ny filazana fa tsy milamina ny kaominin’Ankavandra

Miandrivazo : Fanosoram-potaka ny filazana fa tsy milamina ny kaominin’Ankavandra

Manoloana ny filazana sy fanaparitahana amin’ny haino aman-jery ary gazety an-tsoratra maro samihafa fa tanàna anjakan’ny asan-dahalo ny kaominina Ankavandra dia nitondra ny teniny ireo avy amin’ny fikambanana Zanak’Ankavandra sy ny solontenan’ny ben’ny tanàna. Ho azy ireo dia fanosoram-potaka ary fanasoketana ny kaominina sy ny mponina ao aminy izany. Nendrikendrehina ho miray petsapetsa amin’ny dahalo ny ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny tafika mandrindra ny filaminana any an-toerana. Raha hiverenana ny zava-nisy dia voalaza fa nisy omby miisa 900 very tao amin’ny distrikan’Antsalova, tao anelanelan’ny kaominina ambanivohitr’i Betsipolitra sy Tsiandro. Nisy nilaza taty aoriana fa tao amin’ny kaominin’Ankavandra no nahitana ireo omby ireo ary tao ihany koa no natao ny fanadiovana ny fitomboka sy fanamboarana taratasy hosoka, na ny FIB.  Etsy ankilany, manamafy ny terak’Ankavandra fa hoso-potaka fotsiny izany. « Nisy tokoa ny fahaverezan’omby tany amin’ny distrikan’Antsalova, saingy tsy nandalo teto aminay velively ireo omby ireo fa nizotra nianatsimo any amin’ny kaominin’Itondy. Manankarena ny tanànan’Ankavandra ka soketaina ho tsy milamina mba tsy hiroboroboan’ny fizahantany aty aminay », hoy ny nambaran-dRahanitriniaina Pauld, miandraikitra ny serasera sy fifandraisana ao amin’ny fikambanan’ny Zanak’Ankavandra.

Niony H.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici