Nisehoana fanafihan-dahalo mahery vaika tany Miandrivazo, tao amin’ny tanàna kely antsoina hoe Vaidia Ambatolahy, ny 21 aprily lasa teo. Tsy vitan’ny omby intsony no lasan’ireo malaso tamin’io fotoana io, fa niaraka tamina fianakaviana kely, fito mianaka tao an-tanàna, izay avotra soa aman-tsara. Fanamby iray indray amin’ny fiadiana amin’ny asan-dahalo, ho an’ireo zandary any an-toerana ity tranga iray ity, satria dia miakatra tokoa amin’ny sehatra avo, toy ny ataon’ireo mpampihorohoro eran-tany ireo dahalo. Nataon’ireto olon-dratsy takalonaina mantsy ireto olona fito ireto; izay marihina fa vehivavy ny efatra ary ankizikely ny telo. Teo no ho eo ihany dia nandray fepetra ireo zandary, notarihin’ny Kômandin’ny kômpania any Miandrivazo, nanara-dia ireto olon-dratsy. Taorian’izay, nisy ny fanelanelanana natao teo amin’ireo malaso. Ka votsotra tamin’izany ny olona efatra. Saingy nentin’ireo olon-dratsy kosa ny telo, niaraka tamin’ny omby 15. Ny sabotsy lasa teo, nisy ny fifampitifirana teo amin’ny mpaka an-keriny sy ireo mpitandro filaminana nanara-dia. Araka ny fantatra dia ireo dahalo no nitifitra voalohany raha vao nahita ireto mpitandro filaminana ka tsy maintsy niaro tena tamin’izany ireo zandary. Naharitra 10 minitra teo ho eo ny fifampitifirana, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Tsy nisy anefa aloha ny aina nafoy, na teo amin’ny mpanaraka na teo amin’ireo malaso na teo amin’ireo takalonaina. Saingy resy tosika tamin’izany ireo olon-dratsy ka nanao tari-dositra. Taorian’izay no nahavotra soa aman-tsara ireo telo mianaka sisa tany an-tanan’ireo dahalo. Tafaverina ihany koa ny dimy tamin’ireo omby very. Manoloana izay tranga izay, tsy mandry andro tsy mandry alina ireo mpitandro filaminana any an-toerana, miady amin’ity asan-dahalo, izay toa miha-mahery vaika indray tato ho ato izay. Asa, angamba leon’ny niova fo ho tantsaha ireo dahalo, dia niverina tamin’ny asany taloha indray …
m.L